• 032 32 034 96 - 033 65 810 50 - 034 30 810 50

Alohan'ny hitady asa?

Accueil Forums JOB & STAGE Alohan'ny hitady asa?

Ce sujet a 0 réponse, 1 participant et a été mis à jour par  harinjato, il y a 3 ans et 1 mois.

Affichage de 1 message (sur 1 au total)
  • Auteur
    Messages
  • #6299

    harinjato
    Participant

    Eoa! maro ny tanora no mitady asa. Ny resaka tiako ho zaraina eto dia ho an’ireo tanora vao hanomboka hiditra eo amin’ny sehatra ny asa. Nahavita fianarana ianao? ary nilofo tanteraka tao anatin’izany ka tratra soa? tsara izany. Fianarana nanovo fahalalana no vitanao, fa ny momba ny fomba fiaina koa va mba ohatran’izay? Misy ary maro ireo nahavita miaraka ny fianarany sy ny resaka fomba fiaina, fa misy kosa ireo eo amin’ny fotoana hidirany hiasa vao manomboka mianatra fiainana izy. Ahoana ary no halalana fa manomboka mianatra fiainana ny mpianatra nahavita ny fianarany? ireto misy hevitro vitsivitsy: mitady asa ambony be izy, ny karamany tonga dia ataony mitovy amin’ireo efa mpiasa matihanina, tsy mieritreritra ny hanao asa misy fanetretena izy, ny haingo sy bika no ao an-tsainy eo am-panoratana ny LM. Tsara ilay hoe eo am-panombohana miasa no mianatra fiainana raha tena manaiky izany ny olona iray, ary tena lasa lavitra kosa ny tanora manaiky hianatra. Mahakasika ny tanora tsy mazoto mianatra fiainana kosa dia ho sahirana, ary tsy ahita ny asa mety aminy mandrakizay ny olona malaina hianatra, fa dia ho sasatra izy hitady asa isak’izay tafapetraka amin’ny asa iray. Fehiny, alohan’ny hitady asa voalohany ianao, ataovy tafiditra ao amin’ny vinanao ny fanetretena. Mahita soa e!

Affichage de 1 message (sur 1 au total)

Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.