• 032 32 034 96 - 033 65 810 50 - 034 30 810 50

Ny zavatra mitranga rehefa tafiditra anatin’ny vatana ny tsimonkaretina VIH

Ny zavatra mitranga rehefa tafiditra anatin’ny vatana ny tsimonkaretina VIH

Toy izao ny zava-mitranga rehefa tafiditra anatin’ny vatana ny VIH na virus de l’immunodéficience humaine.

 

➡️ Miditra ao anatin’ny sela miaro ny vatana amin’ny karazana tsimokaretina izy na lymphocytes CD4, mitombo ao ary dia mamono ity farany.

 

Rehefa mandeha ny fotoana dia mihena tsikelikely ny isan’ny LTCD4. Vitsy sisa no miaro ny vatana ka mahatonga ireo aretina mpanararaotra na infections opportunistes ahazo vahana.

…..

‼️ Mila mitandrina anefa fa na dia tsy misy soritra ety ivelany aza fa mitondra ny tsimokaretina VIH dia efa mamindra ihany. Izay no mahazava-dehibe ny fanaovana fitilina raha vao nisy firaisana tsy azo antoka ary tsy nampiasana kapoty.

 

Aza misalasala manoratra aminay raha mila torohevitra ianao.

 

Le geek

Vous devez être connecté·e pour laisser un commentaire.