• 032 32 034 96 - 033 65 810 50 - 034 30 810 50

LIOKA 21: 20-38

LIOKA 21: 20-38

Ny loza hanjo ny israely sy ny fampitandremana azy (20-24). Ny taona70 dia tanteraka ireo zavavoambara ny amin’ny fandravana an’i Jerosalema sy ny tempoly noho ny nataon’ny miaramila Romana (1b), indro tonga ny famaizana, na zanaka tiana aza Israely, tahaka izay voalaza hoe: « … Hafeniko azy ny tavako; ho hitako izay hiafarany; fa firenena tena mpivadibadika izy, dia zaza tsy mahatoky. » (Deotoronomia 32.20). Niainan’ny Zanak’Israely tokoa araka ny tantara ny fahoriana sy fahaverezan-tsaina nateraky ny tahotra. Misy fotoana asaina miatrika sy manohitra isika (Jakoba 4.7b), misy fotoana asaina mandositra (21, 2Timoty 2.22). Miteny amin’ny vanim-potoana rehatra ny Tompo fa isika kosa no mila mahay mihaino Azy amin’ny fanahy mankatoa (Jakoba 4.1a) sy fanahy mahay manavaka (20). Fitsarana mahatahotra no miandry izay tsy nino. Tsy maintsy hiverina ny Tompo (25-32). Mifanindry an-dalana amin’izany koa ny famantarana ny amin’ny fihavian’ny Tompo Jesoa, dia ny fisian’ny fahatezerana lehibe miseho (Isaia 13.13; Ezekiela 32.7) amin’ny vokatry ny tsy finoan’ny maro. Hiseho amin’ny voninahitra sy hery ny Zanak’olona (27) hifaly sy hihoby ireo voavonjy (Salamo 98.6-7) ary hitoetra amin’ny fiadanana feno. Mila miambina isika (33-38). Tsy hisy tsy ho tanteraka izay nambaran’ny Soratra Masina (33, Isaia 40.8). Mila maharitra hatramin’ny farany ka miorina tsara (1 Korontianina 15.58) ny mpino ary ny vavaka sy ny fiambenana amin’ny fihainoana tenin’Andriamanitra no hampiorina ny finoana ka hahavonjy antsika raha ho avy ny fitsarana ny tany (36-38) tahaka izao hataon’ny vahoakan’Andriamanitra izao (39). Hoy ny Apostoly Paoly: “miasà amin’ny tahotra sy hovitra hahatanteraka ny famonjena anareo” (Filipiana 2.12b).

Le geek

Vous devez être connecté·e pour laisser un commentaire.