• 032 32 034 96 - 033 65 810 50 - 034 30 810 50

Sakafo ara-pahasalamana, tsy tian'ny olona.

Accueil Forums DISCUSSIONS LIBRES Sakafo ara-pahasalamana, tsy tian'ny olona.

Ce sujet a 0 réponse, 1 participant et a été mis à jour par  harinjato, il y a 3 ans et 1 mois.

Affichage de 1 message (sur 1 au total)
  • Auteur
    Messages
  • #6298

    harinjato
    Participant

    Salama daholo. Ny sakafo no mahavelona sy mitondra aina ho an’ny olombelona. Zanahary dia nanao ny zava-drehetra mba hahavelona ny olona: sakafo maro loko sy isan-karazany eto ambon’ny tany na any anaty rano. Tsikaritra ankehitriny fa niova ny lela ny olona, sa tsy zatra? Ny sakafo ara-pahasalamana dia tsy mahataitra ny olona intsony, maika hihinana sakafo mavesatra sy tsy natoraly ny akamaroantsika. Ny sakafo tsy mahasalama ary moa dia faritana hoe sakafo manaraka ny toetr’andro. Ny tsy mahasalama tiana ho lazaina eto dia ireo sakafo tsy mitondra hery sy tanjaka loatra, fa mahavoky fotsiny. Miazakazaka any amin’ny sakafo manaraka ny toetr’andro ny olona maro, satria tsy manana fotoana hikarakarana na hiantsenana ireo sakafo ara-pahasalamana, moa ny lela koa mitady zavatra manainaitra fa tsy ilay natoraly intsony (izany dia nohon’ny fahazarana nampizarana ny lela). Eny, lasa tsy tian’ny olona loatra ny sakafo ara-pahasalamana. Tsy tia fahasalamana? mahagaga tokoa. Inona no tokony atao? tsotra fotsiny ny tokony atao, zaro moramora amin’ireo sakafo ara-pahasalamana ny lelanao sy ny vavanao mba hitoeran’ny fahasalamana ao aminao.

Affichage de 1 message (sur 1 au total)

Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.