• 032 32 034 96 - 033 65 810 50 - 034 30 810 50

Alatsinainy 24-02-2020: RESY NY FASANA

Alatsinainy 24-02-2020: RESY NY FASANA

JAONA 11.28-45

Ary rehefa nilaza izany izy, dia lasa nandeha ka niantso mangingina an’ i Maria rahavaviny, nanao hoe: Tonga ny Mpampianatra ka miantso anao. Ary raha vao nandre izany Maria, dia nitsangana faingana izy ka nankeo aminy. Fa Jesosy tsy mbola tonga tao an-tanàna, fa mbola teo amin’ ilay nitsenan’ i Marta Azy ihany. Ary ny Jiosy izay tao amin’ i Maria tao an-trano ka nitsapa alahelo azy, raha nahita azy nitsangana faingana ka nivoaka, dia nanaraka azy, satria nataony fa nankany amin’ ny fasana hitomany any izy. Ary Maria, rehefa tonga teo amin’ nitoeran’ i Jesosy ka nahita Azy, dia niankohoka teo amin’ ny tongony ka nanao taminy hoe: Tompoko, raha teto Hianao, dia tsy maty ny anadahiko. Ary Jesosy nony nahita azy nitomany sy ny Jiosy izay niaraka taminy nitomany koa, dia vonto ny fanahiny, ka tora-kovitra Izy; ary hoy Izy: Aiza moa no nandevenanareo azy? Dia hoy ireo taminy: Tompoko, andeha hizaha. Jesosy nitomany. Dia hoy ny Jiosy: Akory ity haben’ ny fitiavany azy! Fa hoy ny sasany: Moa tsy hain’ ilehity, Izay nampahiratra ny mason’ ilay jamba va, ny manao izay tsy ho nahafaty an-dralehilahy ity? Dia vonto indray ny fanahin’ i Jesosy ka nankeo amin’ ny fasana Izy; ary zohy izany, sady nisy vato narindrina teo. Hoy Jesosy: Esory ny vato. Hoy Marta, anabavin’ ny maty, taminy: Tompoko, maimbo izy izao, fa efa hefarana izay. Hoy Jesosy taminy: Tsy voalazako va fa raha hino hianao, dia ho hitanao ny voninahitr’ Andriamanitra? Dia nesoriny ny vato. Ary Jesosy dia nanandratra ny masony ka nanao hoe: Ray ô, misaotra Anao Aho, fa efa nihaino Ahy Hianao. Raha Izaho, dia fantatro fa mihaino Ahy mandrakariva Hianao; fa noho ny vahoaka mitsangana manodidina no nilazako izany, mba hinoany fa Hianao no naniraka Ahy. Ary rehefa nanao izany teny izany Izy, dia niantso tamin’ ny feo mahery hoe: Ry Lazarosy, mivoaha! Dia nivoaka ny maty nisy fehim-paty ny tànany sy ny tongony, sady voafehy mosara koa ny tavany. Hoy Jesosy tamin’ ny olona: Vahao izy, ka avelao handeha. Ary maro tamin’ ny Jiosy, dia ireo nankeo amin’ i Maria ka nahita ny zavatra nataon’ i Jesosy ireo, no nino Azy.

Le geek

Vous devez être connecté·e pour laisser un commentaire.