• 032 32 034 96 - 033 65 810 50 - 034 30 810 50

STIGMATISATION NA FANILIKILIHANA

STIGMATISATION NA FANILIKILIHANA

Ny stigmatisation na fanilikilihana dia tranga matetika, izay mitarika vokany maro. Izy io dia azo ampifandraisina amin’ny fanavakavahana, izay ahafahana mametraka fitoriana.

Inona no atao hoe stigmatisation na fanilikilihana?

Ny stigmatisation dia fanilikilihana olona noho ny fahasamihafany izay hita fa mifanohitra amin’ny fomban’ny fiaraha-monina. Misy karazana 3 ny fanilikilihana. Ny voalohany dia kendrena ireo olona manana fisehoana ara-batana na fahasembanana ivelany hita maso (maratra, aretin-tsaina, hatavezana), ny faharoa, olona tsy mitovy amin’ny fitondran-tenany (aretin-tsaina, fiankinan-doha amin’ny alikaola, alikaola, tantara ratsy) ary ny fahatelo, olona mizaka zom-pirenena, foko, fivavahana na fironana politika heverina fa ivelan’ny fenitra ara-tsosialy eo an-toerana.

Ny fanilikilihana sy ny fanilikilihan-tena

Nolavin’ny fiarahamonina ilay olona voahilikilika, fa ilay olona voahilikilika kosa dia mahatsapa fanavakavahana sy lavina noho ny fisehoan-javatra sy ny henatra.

« Ny fanilikilihan-tena dia mitranga rehefa mitahiry ireo fihetsika ratsy hasehon’ny fiarahamonina azy ireo olona manana aretina ara-tsaina sy ny fianakaviany, izay no mahatonga azy ireo hanome tsiny ny tenany ary manana fahatokisan-tena ambany » (lahatsoratra navoaka tao amin’ny tranonkala: Herinandro fahatsiarovan-tena momba ny aretina ara-tsaina 2008)

Lehibe kokoa ny fahaketrahana ara-tsaina an’ny olona voahilikilika rehefa avo kokoa ny fanilikilihana mihatra aminy.

Marobe ny vokatry ny fanilikilihana. Misy ny vokany eo amin’ny sehatra manokana izany: ny fihenan’ny fahatokisan-tena, ny fahatsapana ho menatra, ny fahatsapana ho ambany, ny fihenjanana, ny fitokanana … Ny fanilikilihana ihany koa dia misy vokany eo amin’ny fiaraha-monina: fanilihana amin’ny tontolon’ny asa, fahasahiranana hahazoana trano fialofana, fahasahiranana amin’ny fampifanarahana, fanilikilihana tsotra izao. ..

Ho an’ireo olona marary izay iharan’ny fanilikilihana dia mety hisy vokany amin’ny fikarakarana azy ihany koa: fandaozana fikarakarana, fahasahiranana amin’ny fidirana amin’ny fikarakarana.

Inona no tokony hatao amin’ny fanilikilihana?

Paikady maromaro no azo apetraka manoloana ny fanilikilihana. Voalohany, azo atao ny mamela vondrona manambany tena hanatevin-daharana vondrona iray manana laza tsara kokoa (ireo tsy an’asa dia nametraka paikady fikarohana asa ohatra). Paikady iray hafa ihany koa ny fanitsiana ny fomba fijery ny zava-misy. Azo atao ny mampihena ny fanavakavahana/ fanilikilihana mba hitazomana ny fahatokisan-tena.

Fomba iray hafa hiainana tsara kokoa ny maha-voahilikilika ny fitadiavana vondrona iray izay mamela anao hahita fanohanana sy fiononana.

Fanilikilihana sy fanavakavahana, mametraka fitoriana

Raha mahatsapa voahilikilika ianao, fanavakavahana na fanambaniana any amin’ny toeram-piasanao dia azonao atao ny manantona fitsarana na any amin’ny piady ho an’ny zo noho ny fanorisorenana vokatry ny fanilikilihana.

Raha misy ny fanavakavahana / fanilikilihana (na inona na inona fepetra: mahalahy na mahavavy, taona, endrika ara-batana, fiaviana ara-pirazanana, toetry ny fahasalamana, fironana ara-nofo, sns.), na amin’ny sehatry ny fidirana amin’ny trano, fanabeazana, famatsiana entana na serivisy …), afaka mametraka fitoriana ianao satria tsy ara-dalàna ny fanavakavahana / fanilikilihana.

Fandikan-teny tamin’ny teny malagasy: Nambinina

Rédaction FR: Anne-Sophie Glover

Source : https://www.passeportsante.net/fr/psychologie/Fiche.aspx?doc=stigmatisation

 

Le geek

Vous devez être connecté·e pour laisser un commentaire.