✋ Toy izao ny zava-mitranga rehefa tafiditra anatin’ny vatana ny VIH na virus de l’immunodéficience humaine.
➡️ Miditra ao anatin’ny sela miaro ny vatana amin’ny karazana tsimokaretina izy na lymphocytes CD4, mitombo ao ary dia mamono ity farany.
⏳ Rehefa mandeha ny fotoana dia mihena tsikelikely ny isan’ny LTCD4. Vitsy sisa no miaro ny vatana ka mahatonga ireo aretina mpanararaotra na infections opportunistes ahazo vahana.